♦ Miandrandra ny fanarenana ny orinasa ireo mpiasan'ny Kraomita Malagasy, taorian'ny nahatafaverina ilay volan'ny orinasa maherin'ny 4 tapitrisa Dôlara hita tatsy Maorisy ; nanao fanambaràna izy ireo, omaly... ♦ Tsy eken'ny ray aman-drenin'ireo mpiadina afa-panadinana ny hanemorana ny adina am-bava amin'ny fifaninana hidirana ho mpitsara eo anivon'ny ENMG... ♦ Tsy maintsy hisy ny fanelingelenana amin'ny fifamoivoizana ao an-drenivohitra noho ny fanantaterahana ilay tetik'asa PIAA- andriany faharoa. Nanazava ny momba ny asa atao ao anatin'izany ny tompon'andraikitra...

Ny tsy fifandanjana eo amin'ny fiaraha-monina dia miteraka alahelo sy tebiteby ho an'ny marefo sy ireo tra-pahoriana, fikorontanana ara-tsôsialy sy ady eo amin'ny olona sy ny firenena, fahasahiranana amin'ny fanatanterahana ny soatoavina maha-olona. Ny Fiangonana dia manana andraikitra amin'ny fampahatsiahivana ny maha-zava-dehibe ny rariny sy ny firaisankina ary ny fanampiana ireo marefo... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

♦ Nisy tamin'ireo ray aman-drenin'ireo mpifaninana izay efa afaka tamin'ny adina an-tsoratra teo amin'ny ENMG no nanao fanambarana androany. Mitaky ny tsy hanemorana ny adina am-bava... ♦ Natomboka ôfisialy teny Andohatapenaka, androany, ny hetsika fanadiovana ho an'ny boriboritany-VI ao Antananarivo-renivohitra. Nitarika izany Ramatoa Elisa Randrianirina, vadin'ny Filohan'ny Fanavaozana... ♦ Efa dingana lehibe no vitan'ny Barean'i Madagasikara tamin'ny lalao nataony tamin'ny sabotsy teo hoy ny mpamakafaka baolina kitra Fenosoa Razafimamonjy. Mbola misy ihany anefa ny fanatsaràna tokony hatao amin'ny lalao rahampitso...

♦ Mila tefena handray andraikitra ho an'ny tenany, ny tokantranony, ny fiaraha-monina misy azy ary ny firenena ny tanora Malagasy hoy Andriamatoa Ranitratsilo Jimmy Ben'ny tanànan'ny Kaominina Bemasoandro... ♦ Nigadona any amin'ny Faritra Atsinanana sy Alaotra Mangoro ny Caravane Humanitaire poste Gezani, hanomboka anio alatsinainy 30 marsa ny fizarana ireo fanampiana sahanin'ny Birao nasiônaly, misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC)... ♦ Nahazo famantsiam-bola vaovao maherin'ny 30 miliara Ariary ny faritra arovana eto Madagasikara hiarovana ny harena voajanahary ao aminy sy iahiana ny vondron'olona manodidina azy...

--- Andro manan-danja amin’ny tantaran’i Madagasikara ny datin’ny 29 Mars 1947, izay nisian’ny tabataba tao Moramanga, Manakara ary teto Antananarivo. Feno 79 taona ankehitriny iny hetsika nanoheran’ireo bekotro maro holatra ny fanjanahan-tany iny. Ambadiky ny 29 marsa 1947 an-daniny ny fitiavan-tanindrazana nataon’ireo ankamaroany, fa ambadika koa tetsy an-kilany ny famadihana tanindrazana nataon’ireo sasany nila ranondranony tamin’ny voanjo. ny fanamarihana ny hetsika nanoherana ny fanandevozana tamin’ireo mpanjanatany. Raha ny ara-tantara dia naherin’ny 2 hetsy ireo Malagasy namoy ny ainy teo anelanelan’ny 29 Mars 1947 hatramin’ny volana Novambra 1948...

♦ Tolom-panafahana : fanavoazana ny fitiavan-tanindrazana. io no tara-kevitra nanamarihana ny faha-79 taona ny 29 marsa 1947... ♦ Tokony ho sahy hitaky onitra amin'ny Frantsay, amin'izay isika amin'izao fotoanan'ny fanavaozana izao hoy ny Kômity ho an'ny fanorenana Ifotony an'i Madagasikara (K.FIM)... ♦ Mpianatra miisa 35 mianadahy no traboina vokatry ny fahamaizan'ny Bloc 51 trano hipetrahan'ny mpianatra eny Ankatso-II, omaly, alahady 29 marsa 2026... ♦ Naherin'ny 8 tapitrisa ireo amerikanina nidina an-dalambe tamin'ireo tanàn-dehibe tao Etats-Unis ny sabotsy lasa teo, manohitra ny pôlitika ny fifindramonina sy ny ady any Iran ataon'ny filoha Donald Trump...

Miaina fiovan-toetsaina lalina ihany koa ny olona ankehitriny, izay miseho amin'ny fanalavirana ny fomba fijery mahazatra, faniriana hahatakatra ny olombelona amin'ny fomba vaovao misokatra amin'ny fomba fijery maneran-tany. Ireo fiovana ireo dia mitaky ny olona hahay mandinika ary mandray fanapahan-kevitra amin'ny fomba mahaleotena, tsy miankina amin'ny fahazarana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

♦ Olona 5 no voarohirohy tamin'ilay volan'ny orinasa Kraomita Malagasy maherin'ny 4 tapitrisa Dôlara nisy nanodina tatsy Maorisy. Efa nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny 3 tamin'izy ireo... ♦ Nisokatra tamin'ny antoko pôlitika ny governemanta vaovao, saingy tamina antoko 5 vaventy ihany, hoy ny antoko Vahoaka Miray. Nilaza izy ireo fa tokony ho voasolo tena amin'izao Fanjakàna izao ny ankolafin-kery rehetra... ♦ Hiatrika lalao fitsapana any Torkia anio hariva ny Barean'i Madagasikara. Lalao ifanandrinana amin'i Kirghistan, hanomanana lalao ôfisialy amin'ny volana septambra 2026... ♦ Nosamborina ny Praiministra teo aloha tany Népal KP Sharma Oli...

Alahady 29 martsa 2026 - Alahady Sampankazo - Fandinihana ny fijalian’ny Tompo - Ho antsika, dia nanolo-Tena i Kristy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra. Ny vola noraisin'i Jodasy tamin'ny takalon'ny fanoroana an'i Jesoa dia taratry ny famadihana ny hafa, amin'ny toe-piainana ankehitriny, no sady tsy firaiketana intsony amin'ny marina, ary miafara amin'ny fomonoana aina. Mila mivavaka isika indrindra anatin'ny sarotra ; i Jesoa zanak'Andriamanitra dia nanaiky ny hitondra ny hazofijaliana ho fanafahana ny olombelona...

Maro ny olona no tsy mino fa misy ny aretina SIDA eto Madagasikara, ary indrindra ny fitsaboana izany. Ny tsimok'aretina VIH no mitarika amin'ny tambatr'aretina SIDA. Misy ny aretina mpanararaotra miaraka amin'ny VIH dia ireo aretina manamarika ny fihidinan'ny hery fiarovana. Ny fisorohana voalohany indrindra dia ny fitiliana, manaraka izay ny fitandremana amin'ny lafiny firaisana ara-nofo, fanarahana fitsaboana amin'ireo efa marary mba tsy hamidra amin'ny hafa... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Tafaverina eto Madagasikara ny ampahany amin'ny vola maherin'ny 4 tapitrisa Dolara,, an'ny orinasa Kraomita Malagasy, voalaza fa nahodin'ny fitondrana teo aloha tatsy amin'ny nosy Maorisy... ♦ Tsy mampino ny tsy hahavitana fitrandrahana any Tsimiroro sy Bemolanga hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika omaly. Namaranany ny diany tany Guinée Equatoriale ny fitsidihana orinasa mpitrandraka solika... ♦ Naneho ny alahelony ny zanak'i Melaky monina eto Antananarivo tamin'ny tsy fisian'ny zanaky ny Faritra ao anatin'ny Governemanta mijoro ankehitriny... ♦ Mety ho vita ato anatin'ny 2 herinandro ny ady any Moyen-Orient hoy ny sekreteram-panjakàna amerikana...

I Madagasikara dia isan'ireo firenena mbola ahitana tranganà kolikoly betsaka indrindra, noho ireo tsy fahadiovana eo amin'ny fitondran-draharaha. Porofo mivainga, ny fanendrena tompon'andraikitra, amin'ny famitana tolo-draharaha eny anivon'ireo ministera sy ireo orinasa. Raha tiana ny handrosoan'ny Firenena dia atao ezaka ny fialana amin'ny kolikoly : aoka tsy ny vola na ny hafa no hanosika amin'ny fanapahan-kevitra, fanajana fotoana sy fanonerana ireny, fanajana ny hasin'ny hafa sy ny hasin'ny tena, fanaovana laharam-pahamehana ny tombontsoa iombonana, hiaino ny finoana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...