♦ Nijoro alina ny governemanta tarihan'ny Praiministra Rajaonarison Mamitiana. Ministra 17 tamin'ny governemanta teo aloha no naverina amin'ny toerana niadidiany. Governemanta andraisan'ny ankolafin-kery samihafa no najoro hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny repoblika... ♦ Naneho ny heviny omaly ny Ben'ny tanàna an'Antananarivo-renivohitra, teo aloha, Harilala Ramanantsoa fa tsy misy idirany ny findramam-bola nataon'ny orinasa SMDG tamin'ny CNaPs. Nohenoina teny amin'ny Pac 67Ha izy omaly... ♦ Miroso amin'ny fanatanterahana ny dinika misokatra, tsy manavaka sokajin'olona ny firaisa-monim-pirenena, hanombohana izany Analamanga...

Ny Fiangonana dia mahita fa tsy afaka misaraka ny famonjena ara-panahy sy ny fandrosoana maha-olona. Ny Fiangonana dia maniry ny hanampy ny olombelona hahalala ny fahamarinana momba ny tenany sy ny fiainany, hiaro ny hasin'ny maha-olona, hiady amin'ny tsy rariny,ny fanandevozana ary ny fanilikilihana, hanangana fiaraha-monina mifototra amin'ny rariny sy ny fitiavana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

♦ Efa mandeha ankehitriny ny famotorana ara-pitsaràna atao amin'ny tompon'andraikitry ny orinasa "Fond Souverain Malagasy" (F.S.M) izay nahitàna fanodikodinam-bolam-panjakàna... ♦ Niakatra teny anivon'ny Tendrom-pitsaràna misahana ny ady amin'ny kolikoly teny amin'ny 67Ha (PAC), androany ny ben'ny tanàna an'Antananarivo-renivohitra teo aloha, Ramanantsoa Harilala... ♦ Nanambara tamin'ny fomba ôfisaly androany ny firaisa-monim-pirenena fa manatanteraka dinika misokatra, tsy manavaka ny sokajin'olona rehetra izy ireo, ka manerana ny Faritra miisa 24 no hanatanterahana izany...

♦ Olona mamaly ireo fitakiana natao teny an-kianja no tokony ho eo amin'ny toeran'ny mpanatanteraka hoy ny solombavambahoaka Rajerison Antoine, andrasana ny tapak'andro hariva izao moa ireo mpikamban'ny governemanta vaovao... ♦ Nanao fitokonana fanairana tao Vodiala, distrikan'Ambatondrazaka ny maraina teo ireo tantsaha mpamboly ao Ambatondrazaka sy Amparafaravola... ♦ Eny anivon'ny Fitsaràna Ambaratonga Voalohany irery ihany no hanaovana ny fangatahana bulletin numéro trois, hosoko ny ankoatra izay hoy ny teo anivon'ny firaketan-draharahan'ny Fitsaràna Anosy...

Tsy misaraka ny zo sy ny hasina ho an'ny vehivavy, tsy maintsy mifandroy amin'ny toetra amam-pihetsika anefa ireo. Ny zo dia filàna ara-boajanahary ho an'ny olona iray mba hampivelatra azy eo amin'ny fiainany. Ny zo dia mitaky toetra mendrika. Ny hasina dia fanajàna ataon'ny olona : ny toetra dia isan'ny fototra afahana mitaky hasina (fomba fiteny, fiankanjo, fitondran-tena...). Mila manome haja ny tenany ny vehivavy mba hanomezan'ny olona hasina azy... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Ho fantatra anio alarobia faha-25 marsa ireo ministra vaovao handrafitra ny governemantan'ny Praiministra Mamitiana Rajaonarison... ♦ Nankatoavin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana ny fangatahan'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena momba ny fanesorana amin'ny toerany solombavambahoaka miisa 5... ♦ Tandindomin-doza ny ho avin'ny famokarana sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara hoy ny fiaraha-monim-pirenena, mitaky ny hampitsaharana ny fanafarana vary avy any ivelany ny sendikan'ny tantsaha mpamboly vary...

Ny Gaudium et Spes n°2 dia manambara fa ny Fiangonana dia manana iraka mazava : mitory an'i Kristy amin'ny olombelona rehetra, amin'ny fomba mifanaraka amin'ny zava-misy iainan'ny tontolo maoderina. Tsy midika izany fa manilika ny kolontsaina na ny fandrosoan'ny Fiangonana fa maniry ny hifampiresaka amin'ny siansa sy ny kolontsaina, hanaja ny fahafahan'ny olona misaina... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

♦ Manahy ny hisian'ny olana ara-toekarena ateraky ny fanovana ny sora-bola 20.000Ariary ho 1.000Ariary ny mpahay toe-karena Jean Jacques Ratsietison. Tsy voadinika lalina ny momba azy io fanovana io... ♦ Nampiaka-peo ny Vondron'ny fikambanan'ny tantsaha mpamokatra sy ny tranoben'ny tantsaha fa maty antoka tanteraka ny tantsaha amin'ny vidin'ny vary akotry amin'izao fotoana izao. Nanamafy izany koa ny sendikan'ny tantsaha mpamboly vary... ♦ Nankatoavin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana tamin'ny alalan'ny didy navoakany androany ny fanalàna ireo solombavambahoaka miisa 5, tsy ho sombavambahoaka intsony...

♦ Hampahafantarina rahampitso ireo minitra handrafitra ny governemanta vaovao. Namoaka fampitam-baovao momba izany ny maraina teo ny fiadidiana ny fanavaozana ny repoblika... ♦ Mitaky ny hanafainganana ny fifidianana amin'ireo Kaominina 24 tsy manana ben'ny tanàna ny Kmf/Cnoe. Tsy tokony hiandry aorian'ny fifidianana amin'ny volana ôktobra 2027 izany, hoy izy ireo... ♦ Teratany vahiny 83 isa no nosamborin'ny Pôlisim-pirenena teny Ambatomirahavavy. Nahitàna ordinatera 170 mampiahiahy ny orinasa niasàn'izy ireo, taorian'ny fisavàna...

Ny foko "Vezo" ara-tantara dia misy fiaviana avy any ivelany sy eto an-toerana : Indonesie, Arabe, Austronesia. Ity foko ity efa nisy teto Madagasikara tamin'ny taon-jato faha-5 hatramin'ny faha-12. Ny hoe "Vezo" dia azo heverina ho avy amin'ny teny hoe "Bajau" midika hoe mponina an-dranomasina. Ny foko Sakalava sy ny Mahafaly no nipoiran'ny foko "Vezo". Ny Vezo dia foko mpifindra monina, fa niara-nonina  tamin'ny Vazimba. Rehefa tera-bao ny vezo dia atao anaty ankorandriaka ny tadipoitra dia alefa an-dranomasina...

♦ Mitaky ny hanokafana fanadihadiana ny vovonana Psom, taorian'ny fiparitahan'ilay horonan-tsary misy an'i Raissa Razaivola. Nametraka fitoriana teny amin'ny Foiben'ny PAC, teny amin'ny 67ha, izy ireo, omaly... ♦ Mahatsiaro tena  voahilika tanteraka amin'izao fitondrana fanavaozana izao ny antoko RTM, tarihin'i Dadafara. Nambarany fa tsy olona nitolona ny ankamaroan'ireo tonga eo an-dapa... ♦ Nahitàna vary ahiana efa simba 6.000 gony tamina toeram-pitehirizan'entana iray eny Tanjombato, izay ana mpandraharaha karana. Nokasaina amidy eny an-tsena ireo vary ireo no tra-tehaka... ♦ Mitady fifampidinihana amin'i Iran ny filoha amerikana manoloana ny ady any Moyen-Orient...

Manambara ny Gaudium Et Spes n°2 fa ny Fiangonana dia tsy faly noho ny hery na ny fahefana ananany fa satria Kristy velona no ao aminy ; Izy no fahazavana sy fahamarinana atolotry ny Fiangonana ho an'izao tontolo izao. Ny hafalian'ny Fiangonana dia miorina amin'ny finoana dia Andriamanitra tonga nofo, niara-nonina tamin'ny olombelona, ary namonjy ny olona tamin'ny alalan'ny fahafatesany sy ny fitsanganan-ko velona... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...