♦ Ao anatin'ny masontsivana hisafidianana ireo ministra handrafitra ny governemanta, izay hijoro tsy ho ela, ny fahitsiana hoy ny Praiministra Rajaonarison Mamitiana, androany... ♦ Navarin'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena ho "catégorie 3" ireo mpampianatra nahavita fiofanana teo anivon'ny CRINFP ka nampiaka-peo, androany, ny sendika SSIM... ♦ Natomboka androany ary haharitra 3 andro ny fizarana ny "Fidiovana" ho an'ny Malagasy tsy an-kanavaka, ho fanamarihana ny taom-baovao Malagasy... ♦ Nanaiky ny hampiato ny fandraisana teratany keniana hiady ho an'i Russie any Ukraine ny fitondrana russe, hoy ny lehiben'ny diplômasia keniana, androany...

♦ Tontosa androany teny amin'ny lapam-panjakàna Mahazoarivo ny famindram-pahefana sy fitantanana teo amin'ny Praiministra vaovao Mamintiana Rajaonarison sy ny Praiministra teo aloha Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Hanomboka amin'ity herinandro ity ny asa fanomanana ny fanapariahana ireo fitaovana hanatanterahana ny fisoratana anarana biômetrika manerana ny nosy. Nahomby ny andrana natao tao amin'ny distrika Antananarivo-Atsimondrano... ♦Mbola miparitaka eran-tany ny vokatra tsy azo antoka, misy hosoka ka mampihena fahatokisan'ny mpanjifa hoy ny sekretera jeneralin'ny ministeran'ny varotra sy ny fanjifàna...

--- Marihana isaky ny 15 Mars, isan-taona, ny andro eran-tany hoan’ny zon’ny mpanjifa. Tanjona kendrena amin’izany ny hanandratana ny zo fototry ny mpanjifa, ny fiantohana azy, ny vaovao tokony ho sitrahany ary ny safidiny. "Vokatra azo antoka, mpanjifa feno fahatokiana", izay no lohahevitra voizina amin’ity taona ity. Isan-taona, ankalazaina mitety faritra ary amin’ny fomba manetriketrika, ity andro eran-tany hoan’ny zon’ny mpanjifa ity eto amintsika. Tamin’ny herintaona, ohatra, ny tao Antsirabe renivohitr’i Vakinakaratra, no nandray izany...

♦ Andriamatoa Rajaonarison Mamitiana no nosafidian'ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ho  Praiministra handimby an'Andriamatoa Herintsalama Rajaonarivelo. Isan'ny iraka hotanterahiny ny fampivondronana ny ankolafin-kery rehetra eto amin'ny nosy... ♦ Tsy tokony hisy intsony ny fanakianana izay ho Praiministra vaotendry hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ny sabotsy teo. Nitaky fifampidinihana amin'ny fanendrena izay ho Praiministra voavao ny antoko TIM... ♦ Very olomanga roa i Madagasikara. Nodimandry ny ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola teo aloha ; nindaosin'ny fahafatesana ihany koa Dezy Ramasy, kintan'ny baolina kitra...

♦ Tafidina hatrany amin'ny 500 Ariary ny kilaon'ny vary gasy hividianan'ireo mpanangom-bokatra any amin'ny tantsaha mpamboly, ahiana hiteraka fipoahana ara-tsôsialy goavana izany raha tsy misy ny fandraisan'andraikitra... ♦ Mivangongo amin'ny faritra maro ny fako ao Antananarivo-renivohitra, tsy misy afatsy fiarabe 13 tamin'ireo 28 teo aloha sisa miasa misahana ny fandraofana ny fako hoy ny mpiasa eo anivon'ny SMA... ♦ Nandraisana fepetra hisorohana ny lozam-pifamoivoizana ny lalana Tsarasaotra sy Lac Iarivo, natomboka omaly zoma 13 marsa ny hetsika fanentanana natao tamin'ireo mpampiasa lalana toy ny mpandeha an-tongotra, ny mpampily ary ny polisim-pirenena...

Alahady 15 martsa 2026. Taona A - Alahady faha-4 Karemy  : Ny finoana an’i Kristy no fahazavana vaovao - Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy, hanana ny fahazavan’ny fiainana. Tsy voatery ho sazy na famaizan'Andriamanitra noho ny fahotana natao ny aretina na kilema na ny fijalina manjoa ny olombelona fa mba hanehoana ny asan'Andriamanitra ao aminy. Tsy hain'Andriamanitra ny mahary ny ratsy na ny fahafatesana fa ny manao ny tsara sy ny mamelona ihany no hainy ; porofon'ny fiahian'Andriamanitra ny olombelona ny nanomezany ny zanany hamonjy...

Ny loha dia ilaina sasàna indray maka isan-kerinandro ka diovina ny hodi-doha sy ny volo ; ilàna fitandremana sy fandanjalanjàna ny fampiasana ireo vokatra fanosotra amin'ny volo mba tsy hiteraka olana. Ny tarehy dia saro-pady ka tokony sasàna maraina sy hariva ; tandremana tsara ireo vokatra misy "diprosone - corticoïde" fa manimba ny hoditra, mety hakasika ny fahasalaman'ny maso raha tsy voafehy ... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Manaiky ny didy navokan'ny filan-kevim-panjakàna manaisotra azy tsy ho ben'ny tanàna an'Antananarivo-renivohitra, Ramatoa Harilala Ramanantsoa... ♦ Tsy anatin'ny fahefan'ny solombavambahoaka amin'izao ny manolotra anaran'izay ho praiministra, mbola ny IRMAR mantsy no manana ny maro an'isa eo anivon'ny antenimieram-pirenena hoy ny filohan'ny antoko FIVOI... ♦ Natomboka omaly zoma 13 marsa ny vava asa, fandrodanana ny kianja masoandro (Colisée) anatin'ny rovan'i Manjakamiadana... ♦ Maratra mafy ny tavan'ilay "guide supreme" vaovao ao Iran Mojtaba Khamenei, raha ny fanambarana nataon'i Pentagon omaly zoma...

♦ Mankatoa ny didy navoakan'ny filan-kevi-panjakàna manaisotra azy tsy ho ben'ny tanàna an'Antananarivo-renivohitra, Ramatoa Harilala Ramanantsoa, raha nitafa tamin'ny mpanao gazety, teny amin'ny Lapan'ny tanàna Analakely, androany... ♦ Manao antso avo ho amin'ny tetezamita iarahana manapaka, mirindra ary voasoritra mazava tsara ireo firaisamonim-pirenena nanao fanambarana teny Ambatonakanga, androany... ♦ Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy androany, ny taom-pianarana vaovao 2025-2026 ho an'ny Oniversite natao tao Itasy, tonga nanome voninahitra izany ny filohan'ny fanavaozana ny repoblikan'i Madagasikara...

Nampihatrano fihaonana iraisam-pirenena momba ny lalam-pihariana vary i Madagasikara amin’ity herinandro ity. Tanterahana eto Antananarivo mandritra ny efatra andro nanomboka androany ny fivoriambe faha folon’ny Fikambanambe ampiroboroboana ny voly vary aty Afrika na ny CARD( Coalition pour le Développement de la Riziculture en Afrique) sy ny andiany faha 21n’ny fivorian’ny komity mpitantana (Cmité de Pilotage)...

♦ Nanao antso mba hanomezan-danja ny fokonolona ny sehatra famerenan-kasina ny fokonolona ivondronan’ireo kristiana sy olobe, firaisamonim-pirenena sy fikambanana samihafa, hisy ny hetsika hotanterahin’izy ireo manoloana izany… ♦  Notolorana fanafody ho fanamafisana ny fisorohana ny valan’aretina MPox ny Fonjan’i Farafangàna… ♦  Misy ny fanadihadiana niarahana tamin’ny Profesora Panja Ramanoelina, filoha teo aloha teo an’ivon’ny oniversite an’Antananarivo., hiresahany manokana momba ny fitantanana ny trano fonenan’ny mpianatra ankehitriny...

Ny fanatontoloana dia dingana fanokafana ny tsenam-pirenena ho an'ny vondrom-piaraha-monina iraisam-pirenena, manamafy ny fifanankalozana entana, asa, fampiasam-bola, olona ary vaovao samihafa sy ny teknôlôjia môderina mandrindra ny fifandraisana. Misy fiantraikany eo amin'ny fiainam-pianakaviana ny fanatontolona toy ny fahaverezan'ny soatoavina sy ny kolontsain'ny fianakaviana, hatramin'ny fahapotehan'ny teny Malagasy, manimba ny fifandraisan'ny fianakaviana, manimba ny fitaizana ireo tanora... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...