• Mihoatra lavitra ny 77 tapitrisa Dolara nambara no nanamboarana ny Kianja Barea Mahamasina. Tafakatra 120 tapitrisa Dolara ny vola nivoaka, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, raha araka ny fanadihadiana parlemantera nataon'ny vaomiera misahana izany... • Nitsapa alahelo ny fianakavian'izy roa vavy hita faty teny Ambohimanga, ny fitondram-panjakana notarihin'ny Colonel Randrianirina Michaël mivady sy ny Praiminisitra... • Tsy maintsy fehezina ny fampiasana zezika, amin'ny alalan'ny fanarahana ny kalitao. Misy ny fiaraha-miasan'ny Fanjakana Malagasy sy ny FAO, momba izany...

• Namaly ankolaka ireo mitaky ny handravana ity andrim-panjakana ity, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena tamin'ny lahateniny, nandritra ny fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana... • Azo atao tsara, manomboka izao, ny mitory ny fifaninanana ara-barotra tsy ara-dalana, eny amin'ny Filankevitry ny fifaninanana. Nivoaka vao haingana teo ny didy fampiharana ny lalana mifehy izany... • Tokantrano miisa 10.000, amina Fokontany folo eto Antananarivo sy ny manondidina, no hisitraka fampidirana rano fisotro anatin'ny tetikasa PAAEP. Hatao amin'ny vidiny mora ny saran'ny fampidirana izany...

• Hivory ara-potoana manomboka anio, ireo Solombavam-bahoaka eny amin'ny Antenimieram-pirenena. Volavolan-dalana 7 farafahakeliny no handalo fankatoavana amin'izy ireo mandritra izany... • Hanomboka anio ny dingana firosoana amin'ny fikaonandoham-pirenena hotarihin'ny FFKM. Hisy ny fotoam-bavaka sy ny fampahafantarana ireo mpandrindra nasionaly ny amin'ny fanatanterahana izany... • Nidina ny taham-pahafahana Bakalorea manerana ny nosy tamin'ity taona ity. Tsy nisy afa-tsy 48% izany, raha araka ny vokatra ankapobeny nivoaka omaly...

• Miroso amin'ny fanaovana dinidinika miaraka amin'ireo vahoaka eny ambany tanana, momba ny maha zava-dehibe ny firosoana amin'ny fanovana ny Lalam-panorenana ny IFR na ny Ivon'ny Fanavaozana ny Repoblika... • Hitondra am-bavaka amin'ny dingana mandritra ny fikaonandoham-pirenena ny FFKM, rahampitso tolakandro. Fotoam-bavaka hatao eny amin'ny Village Voara Andohatapenaka... • Dinihina mandritra ny roa andro amin'ny alalan'ny atrikasa eny amin'ny Carlton Anosy, ny marimaritra iraisana hametrahana ny modelim-pitantanana mifanaraka amin'ny zava-misy eto amin'ny firenena na isam-paritra momba ny tahirin-tsakafo eto amintsika...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...