• Isan'ny nankalaza ny andro natokan'ny Eglizy hahatsiarovana ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo, isaky ny 21 aogositra, ny Centre Maternel Infantile, na ny CMI, eny Maroroha TSimbazaza... • Tsy ara-dalana, ary tsy nahazo fahazoan-dalana hanorina ny asa eny amin'ny toby fiantsonan'ny Taxi-brousse Fasan'ny Karana, hoy ny Filohan'ny Delegasiona manokan'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra... • Tetikasa maromaro mahakasika ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra no hiarahana miasa amin'ny fitondrana sinoa. Hisitraka izany kaominina any amin'ny tapany atsimon'ny Distrikan'Ambohidratrimo sy ny kaominina roa any amin'ny Distrikan'Antananarivo Atsimondrano...
• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...
Hamerina ny lanjan’ny kafé teto Madagasikara toa ny nisy mialohan’ny taona 90 indray ny Fanjakàna Malagasy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fahaleovantena ara-tsakafo miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka eto an-toerana sy ny any ivelany. Tanjona ny hananan’ny kafé malagasy ny toerany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena sy hanatsara ny fari-piainan’ny tantsaha mpamokatra amin’ny alalan’ny fampitomboana ny vola miditra amin’izy ireo.
• 10% amin'ireo vaomiera mpanisa ny mpifidy eny ifotony ihany no mba ahitana solontenan'ny antoko politika sy ny firaisamonim-pirenena... • Zaza 5 taona manana toe-tena varira indray no nisy naka an-keriny alina, tao amin'ny Fokontany Bemarivo Atsinanana, Kaominina Maevatanana Faharoa... • Vitsy ny mpampianatra FRAM karamain'ny ray aman-drenin'ny mpianatra horaisina ho mpiasam-panjakana amin'ity taona ity...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco