Ny vatana dia anisan'ny maha-olona, tsy azo hamavoina, tsy azo amidy, ary tsy azo atao fitaovana hanatanterahana faniriana tsy manaja ny hasin'ny olona. Manana lanja ara-panahy ny vatana. Tsy fonja mitazona ny fanahy ny vatana fa toerana isehoan'ny olona sy iantsoana azy hanome voninahitra an'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.

• Hamoaka vola taratasy vaovao ny Fanjakana. Nilaza ny Banky Foiben'i Madagasikara fa tsy misy ifandraisany amin'ny fakan-kevitra faobe ny momba ny ho avin'ny vola malagasy... • Vinavinaina hiakatra 5,1 % ny fitomboan'ny harinkarena faoben'ny firenena amin'ny taona ho avy, araka ny voarakitry ny volavolan-dalana mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2027... • Ahiana hiteraka fifandonana ny fitrandrahan'ireo teratany Sinoa volamena any amin'ny Distrikan'i Tsaratanana. Miantso ny Fanjakana handray andraikitra, dieny izao, ny solontenan'ny mponina any an-toerana...

♦ Mitsipaka marindrano ny fisian'ny fivoriana nikonokononana fanonganam-panjakana teny Ankaditapaka-Ankadifotsy ny Jeneraly misotro ronono Razakarimanana Ferdinand. Sao dia fikasana hanakana ny fahalalahana maneho hevitra izao zava-misy izao hoy izy... ♦ Manentana ny olom-pirenena hanana fasahiana handà sy hanohitra ny kolikoly ary hijoro amin'ny fahamarinana ny FJKM. Mifanohana sy miray fo amin'ny sekoly tsy miankina ny sekoly FJKM, momba ny rafi-panabeazana... ♦ Nipaka eny amin'ny vahoaka ny fanohanana nataon'ny fikambanana Money for Madagascar nandritry ny 40 taona niasany...

Mba hiomanana sy hanomanana ny tanora sy izay ho tompon'andraikitry ny firenena amin'ny ho avy tsara kokoa dia tsara ny hanaovan'ny mpianatra sy ireo mpikaroka eny anivon'ny Anjerimanontolo, fikarohana sy boky fanohanana hevitra manodidina ny dinam-piaraha-mitantana izay efa nisy. Miainga amin'ny olona 2 ny fiaraha-mitantana ary fototra mahamafy orina izany ny toe-tsaina. Ny DINA dia hajain'ny Malagasy kokoa miohatra amin'ny lalàna, satria niorina tamin'ny fifanakalozan-kevitra, fifampiresahana, fifanajana, ahitana taratra fiombonana... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...