♦ Misaotra ny kristiana ao amin'ny Diôsezin'i Fianarantsoa tamin'ny fifanotronana nandritry ny 24 taona niarahana i Mgr Fulgence Rabemahafaly. Nankasitraka azy tamin'ny asa vitany ihany koa ny handimy azy Mgr Jean Nicolas Rakotojaona... ♦ Tsy azo iodivirana ny fampiasana ny saina voatran'olombolena (I.A) saingy tsy maintsy mampianatra ny tanora hifehy azy io isika hoy ny mpampianatra informatika, mpitantana ny ISPM, Pr Raboanary Julien... ♦ Mila manana pôlitika ara-ketra mandrisika isika Malagasy raha te hampiroborobo ny indostria manodina ny vokatra ara-pambolena hoy ny mpahay toe-karena Dr Hugues Rajaonson...

♦ Mandray ny maha Arsevekan'i Fianarantsoa azy i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona herintaona aty aorian'ny naha Arseveka Coadjuteur an'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa azy. Neken'ny Papa Léon-XIV ny fangatahan'i Mgr Fulgence Rabemahafaly, hitsahatra... ♦ Seminarista sy skôlastika miisa 157 no notokanana ho mpamaky teny sy mpanotrona teny amin'ny seminera zokiny fandalinana teôlôjia Faliarivo eny Ambanidia. Nitarika ny Sorona Masina ny Evekan' i Miarinarivo Mgr Jean Claude Rakotoarisoa... ♦ Hiatrika ny fifaninana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny tetik'asa miisa 3 nivoaka nandresy tamin'ny POESAM teto Madagasikara...

Manana adidy hitandro sy hikolokolo ny aina ireo mpino nomena andraikitra amin'ny fitantanan-draharaha amin'ny sehatra miankina sy tsy miankina, ary handala ny rariny sy ny hitsiny. Masina Andriamanitra izay inointsika ka deraina sy hajaina ary tsaohina sy deraina ; sitrak'izy Mpahary ny hamela tandindona sy famantarana ho antsika ka isan'ireny ny Sakramenta sy ny sakramentaly... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Alahady 25 oktobra 2026 - Alahady faha-30 mandavantona - A - Tia an'Andriamanitra sy ny namana no maha-kristianina. Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra. Nisy 613 isa ny lalana ho an'ny Jody sy ny Farisianina, anefa tsy nilaza sy nitanisa na izay mety ho filaharany ireo i Jesoa fa didy 2 no nolazainy ary mitovy ihany izy ireo : Fitiavana an'Andriamanitra sy ny Fitiavana ny namana. Andriamanitra no ivon'ny fiainana manontolo, ary fitiavana ; tsy nanova ireo didy nisy i Jesoa fa nanamafy ary nanambatra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...