• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

• Miteraka fanehoan-kevitra samihafa, tato ho ato, ny fivoizana ny tokony hametrahana rafitra federaly eto Madagasikara... • Nahazo tohana ara-tsakafo sy ara-pitaovana avy amin'ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Firainsankina, ireo sokajin'olona marefo any amin'ny Farit'Itasy... • Nisehoana asan-dahalo nahatsiravina, namoizana ain'olona telo, tany amin'ny tananan'Ambatorahona, Fokontany Anivosaha, Kaominina Mangarano, Faritra Vakinankaratra, ny sabotsy alina teo...

Anatin'ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana ny Vaomieram-pirenena Mahaleo tena Misahana ny Fifidianana, na ny CENI, nanomboka ny 28 jolay teo. Haharitra hatramin’ny volana novambra 2026 izany, na dia isaky ny 10 taona aza no tokony hanatanterahana izany, araka ny voafaritry ny lalàna.

• Fararanon-danonana ny teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo ny faran'ny herinandro teo. Notanterahina ny 21 sy 22 aogositra 2026 teo ny Andron'ny Diosezy, izay nankalazana ny fetin'ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo... • Nivoaka omaly ny valim-panadinana Bakalorea ho an'Antananarivo. Nahatratra 51,74% ny taham-pahafahana... • Ho fanamafisana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin'i Madagasikara sy i Afrika Atsimo, tafajoro ny Antenimeran'ny Varotra eo amin'ny firenena roa tonta...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...