♦ Nahazo fitaovana momba ny informatique mitentim-bidy 3.230.000.000 Ariary, avy amin'ny maso ivohon'i Japon ny vaomieram-pirenena mahaleontena misahana ny fifidianana (CENI)... ♦ Olana ara-teknika amina milina mpihary herinaratra ao amin'ny TAC1 sy TAC-3, Jirama Ambohimanambola no nahatonga ny fahatapahan-jiro nifandimby naharitra ora maro tato amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo hatramin'ny omaly tolak'andro... ♦ Pôlisy manakaiky ny vahoaka no hasongadina mandritra ilay kermesy fankalazana ny faha-65 taona ny pôlisim-pirenena eny amin'ny tranom-bokim-pirenena Anosy, hitohy hatramin'ny alahady 25 oktobra 2026...
Manana adidy hitandro sy hikolokolo ny aina ireo mpino nomena andraikitra amin'ny fitantanan-draharaha amin'ny sehatra miankina sy tsy miankina, ary handala ny rariny sy ny hitsiny. Masina Andriamanitra izay inointsika ka deraina sy hajaina ary tsaohina sy deraina ; sitrak'izy Mpahary ny hamela tandindona sy famantarana ho antsika ka isan'ireny ny Sakramenta sy ny sakramentaly... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Nahazo fitaovana informatika mitentina 3.230.000.000 Ariary, avy amin'ny Masoivohon'i Japon amin'ny alalan'ny fandaharana RPMD, ny CENI… • Misy fiampangana tsy voaporofo ho an'ny mpiasan'ny fadintseranana sasany, izay manaratsy endrika ny Douane, sy mampihena ny fahatokisan'ny vahoaka azy, raha araka ny nambaran'ny sendikan'ny Inspecteurs an'ny fadintseranana SIDM… • Misy olana ara-teknika ny milina mpihary herinaratra ao amin'ny TAC 1 sy TAC 3, JIRAMA Ambohimanambola. Tsy azo ihodivirana noho izany ny fampiharana ny fahatapahan-jiro mifandimy…
• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…
• 209 taona aty aoriana, mitohy ny famarinana olona eto Madagasikara, saingy miova endrika amin'ny alalan'ny fampiasana teknolojia moderina izany ankehitriny... • Tsy misy afa-tsy 4%-n'ny tantsaha mpamokatra manerana ny nosy no afaka misitraka famatsiam-bola, ka entina hanampiana azy ireo ny tetikasa “Tohatra”... • Misy ireo mponina mitaraina noho ny loto avoakan'ny orinasa iray mpandrendrika vy eny Amoronakona...
Zo fototra ho an’ny olona tsirairay, na lahy na vavy, na ankizy na olon-dehibe no misitraka sakafo sahaza ho azy. Isan’ny navoitran’ny ministry ny fambolena sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo sy Andriamatoa Francesco Machini avy ao amin’ny biraon’ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana misahana ny fambolena sy ny sakafo na ny FAO eto Madagasikara izany nandritra ny fankalazana ny andro eran-tany hoan’ny sakafo teny amin’ny Kianjan’i Barea Mahamasina ny 16 oktobra 2016...
Misy tanora miezaka mafy amin'ny fianarana nefa tsy mahatratra ny tanjony; misy mahazo diplaoma nefa tsy mahita asa. Toetra tsara hananana ny tsy fahakiviana. Ny olona tsirairay dia samy manana ny fihetsiny maoloana ny tranga iray. Zava-dehibe ny finoana, ny fanantenana ary ny fifanohanana. Ny tsy fahombiazana dia tsy mamaritra ny hasarobidin'ny olona iray. Fandaharana "Fibeazana Miaina sy Mitia", iarahana amin'ny Tanora AHAPPY...
• Nandamoka ny fikasan'ny vehivavy Sinoa iray, saika hanondrana an-tsokosoko volamena, tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Nasisika tamin'ny vatany ny volamena manodidina ny 2 kg, saingy tra-tehaka rehefa nandalo teo amin'ny “Bodyscan”... • Tonga ao an-tampon-tananan'Ambovombe ny rano fisotro madio. Manodidina ny 33.500 isa ireo mponina afaka misitraka izany. Mbola mitoetra ho olana, etsy ankilany, ny jiro any an-toerana… • Niharatsy ny kalitaon'ny rivotra eto Antananarivo satria tafakatra avo enina heny, raha oharina amin'ny fenitra nasionaly izany, ka mety hitarika aretina ho an'ny olon-drehetra…
Ny vatana dia anisan'ny maha-olona, tsy azo hamavoina, tsy azo amidy, ary tsy azo atao fitaovana hanatanterahana faniriana tsy manaja ny hasin'ny olona. Manana lanja ara-panahy ny vatana. Tsy fonja mitazona ny fanahy ny vatana fa toerana isehoan'ny olona sy iantsoana azy hanome voninahitra an'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
• Hamoaka vola taratasy vaovao ny Fanjakana. Nilaza ny Banky Foiben'i Madagasikara fa tsy misy ifandraisany amin'ny fakan-kevitra faobe ny momba ny ho avin'ny vola malagasy... • Vinavinaina hiakatra 5,1 % ny fitomboan'ny harinkarena faoben'ny firenena amin'ny taona ho avy, araka ny voarakitry ny volavolan-dalana mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2027... • Ahiana hiteraka fifandonana ny fitrandrahan'ireo teratany Sinoa volamena any amin'ny Distrikan'i Tsaratanana. Miantso ny Fanjakana handray andraikitra, dieny izao, ny solontenan'ny mponina any an-toerana...
♦ Mitsipaka marindrano ny fisian'ny fivoriana nikonokononana fanonganam-panjakana teny Ankaditapaka-Ankadifotsy ny Jeneraly misotro ronono Razakarimanana Ferdinand. Sao dia fikasana hanakana ny fahalalahana maneho hevitra izao zava-misy izao hoy izy... ♦ Manentana ny olom-pirenena hanana fasahiana handà sy hanohitra ny kolikoly ary hijoro amin'ny fahamarinana ny FJKM. Mifanohana sy miray fo amin'ny sekoly tsy miankina ny sekoly FJKM, momba ny rafi-panabeazana... ♦ Nipaka eny amin'ny vahoaka ny fanohanana nataon'ny fikambanana Money for Madagascar nandritry ny 40 taona niasany...
Mba hiomanana sy hanomanana ny tanora sy izay ho tompon'andraikitry ny firenena amin'ny ho avy tsara kokoa dia tsara ny hanaovan'ny mpianatra sy ireo mpikaroka eny anivon'ny Anjerimanontolo, fikarohana sy boky fanohanana hevitra manodidina ny dinam-piaraha-mitantana izay efa nisy. Miainga amin'ny olona 2 ny fiaraha-mitantana ary fototra mahamafy orina izany ny toe-tsaina. Ny DINA dia hajain'ny Malagasy kokoa miohatra amin'ny lalàna, satria niorina tamin'ny fifanakalozan-kevitra, fifampiresahana, fifanajana, ahitana taratra fiombonana... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco