• Mihoatra lavitra ny 77 tapitrisa Dolara nambara no nanamboarana ny Kianja Barea Mahamasina. Tafakatra 120 tapitrisa Dolara ny vola nivoaka, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, raha araka ny fanadihadiana parlemantera nataon'ny vaomiera misahana izany... • Nitsapa alahelo ny fianakavian'izy roa vavy hita faty teny Ambohimanga, ny fitondram-panjakana notarihin'ny Colonel Randrianirina Michaël mivady sy ny Praiminisitra... • Tsy maintsy fehezina ny fampiasana zezika, amin'ny alalan'ny fanarahana ny kalitao. Misy ny fiaraha-miasan'ny Fanjakana Malagasy sy ny FAO, momba izany...
• Namaly ankolaka ireo mitaky ny handravana ity andrim-panjakana ity, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena tamin'ny lahateniny, nandritra ny fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana... • Azo atao tsara, manomboka izao, ny mitory ny fifaninanana ara-barotra tsy ara-dalana, eny amin'ny Filankevitry ny fifaninanana. Nivoaka vao haingana teo ny didy fampiharana ny lalana mifehy izany... • Tokantrano miisa 10.000, amina Fokontany folo eto Antananarivo sy ny manondidina, no hisitraka fampidirana rano fisotro anatin'ny tetikasa PAAEP. Hatao amin'ny vidiny mora ny saran'ny fampidirana izany...
• Hivory ara-potoana manomboka anio, ireo Solombavam-bahoaka eny amin'ny Antenimieram-pirenena. Volavolan-dalana 7 farafahakeliny no handalo fankatoavana amin'izy ireo mandritra izany... • Hanomboka anio ny dingana firosoana amin'ny fikaonandoham-pirenena hotarihin'ny FFKM. Hisy ny fotoam-bavaka sy ny fampahafantarana ireo mpandrindra nasionaly ny amin'ny fanatanterahana izany... • Nidina ny taham-pahafahana Bakalorea manerana ny nosy tamin'ity taona ity. Tsy nisy afa-tsy 48% izany, raha araka ny vokatra ankapobeny nivoaka omaly...
• Miroso amin'ny fanaovana dinidinika miaraka amin'ireo vahoaka eny ambany tanana, momba ny maha zava-dehibe ny firosoana amin'ny fanovana ny Lalam-panorenana ny IFR na ny Ivon'ny Fanavaozana ny Repoblika... • Hitondra am-bavaka amin'ny dingana mandritra ny fikaonandoham-pirenena ny FFKM, rahampitso tolakandro. Fotoam-bavaka hatao eny amin'ny Village Voara Andohatapenaka... • Dinihina mandritra ny roa andro amin'ny alalan'ny atrikasa eny amin'ny Carlton Anosy, ny marimaritra iraisana hametrahana ny modelim-pitantanana mifanaraka amin'ny zava-misy eto amin'ny firenena na isam-paritra momba ny tahirin-tsakafo eto amintsika...
• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...
• Miteraka fanehoan-kevitra samihafa, tato ho ato, ny fivoizana ny tokony hametrahana rafitra federaly eto Madagasikara... • Nahazo tohana ara-tsakafo sy ara-pitaovana avy amin'ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Firainsankina, ireo sokajin'olona marefo any amin'ny Farit'Itasy... • Nisehoana asan-dahalo nahatsiravina, namoizana ain'olona telo, tany amin'ny tananan'Ambatorahona, Fokontany Anivosaha, Kaominina Mangarano, Faritra Vakinankaratra, ny sabotsy alina teo...
Anatin'ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana ny Vaomieram-pirenena Mahaleo tena Misahana ny Fifidianana, na ny CENI, nanomboka ny 28 jolay teo. Haharitra hatramin’ny volana novambra 2026 izany, na dia isaky ny 10 taona aza no tokony hanatanterahana izany, araka ny voafaritry ny lalàna.
• Fararanon-danonana ny teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo ny faran'ny herinandro teo. Notanterahina ny 21 sy 22 aogositra 2026 teo ny Andron'ny Diosezy, izay nankalazana ny fetin'ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo... • Nivoaka omaly ny valim-panadinana Bakalorea ho an'Antananarivo. Nahatratra 51,74% ny taham-pahafahana... • Ho fanamafisana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin'i Madagasikara sy i Afrika Atsimo, tafajoro ny Antenimeran'ny Varotra eo amin'ny firenena roa tonta...
• Isan'ny nankalaza ny andro natokan'ny Eglizy hahatsiarovana ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo, isaky ny 21 aogositra, ny Centre Maternel Infantile, na ny CMI, eny Maroroha TSimbazaza... • Tsy ara-dalana, ary tsy nahazo fahazoan-dalana hanorina ny asa eny amin'ny toby fiantsonan'ny Taxi-brousse Fasan'ny Karana, hoy ny Filohan'ny Delegasiona manokan'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra... • Tetikasa maromaro mahakasika ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra no hiarahana miasa amin'ny fitondrana sinoa. Hisitraka izany kaominina any amin'ny tapany atsimon'ny Distrikan'Ambohidratrimo sy ny kaominina roa any amin'ny Distrikan'Antananarivo Atsimondrano...
• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...
• 10% amin'ireo vaomiera mpanisa ny mpifidy eny ifotony ihany no mba ahitana solontenan'ny antoko politika sy ny firaisamonim-pirenena... • Zaza 5 taona manana toe-tena varira indray no nisy naka an-keriny alina, tao amin'ny Fokontany Bemarivo Atsinanana, Kaominina Maevatanana Faharoa... • Vitsy ny mpampianatra FRAM karamain'ny ray aman-drenin'ny mpianatra horaisina ho mpiasam-panjakana amin'ity taona ity...
• Mbola mijanona ho serasera politika fotsiny ny filazana ny amin'ny hanatanterahana fifidianana amin'ny volana jolay 2027, hoy ny KMF/Cnoe Fanabeazana Olompirenena... • Hotanterahina anio eny Ankatso ny fivoriana handinihina ny famerana ny naoty hahafahana Bakalorea ho an'ny Faritra Analamanga, Bongolava. Efa nivoaka omaly kosa ny voka-panadinana ho an'i Toamasina... • Hisy ny fihaonana mivantana eo amin'ny Sendikà SECES sy ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa anio...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco