• Namoaka hafatra ny Vaomeiran'ny Eveka momba ny fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana, na ny Justice et Paix, taorian'ny fivoriana nataon'izy ireo ny 13 sy 14 ôktôbra 2026... • Zo fototra ho an'ny olona tsirairay ny misitraka sakafo sahaza azy. Isan'ny navoitran'ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo izany androany, nandritra ny fanakalazana ny Andro Eran-tany ho an'ny Sakafo, teny amin'ny Kianjan'i Mahamasina... • Tsy afaka mifaninana amin'ny tsena anatiny sy amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny vokatra malagasy raha tsy manaraka fenitra. Isan'ny nivoitra izany tamin'ny fanamarihana ny Andro Iraisam-pirenena ho fanarahana ny fenitra...
• Namoaka fehin-kevitra momba ny toromarika hiatrehana ireo fanadinam-panjakana, ireo talen-tsekoly katolika eto Madagasikara, nandritra ny fihaonambe tsy ara-potoana natao tao amin'ny Diosezin'Ambositra... • Tontosa ny 13 sy ny 14 ôktôbra 2026 ny fivoriana fanao isan-taona nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana... • Hotanterahana rahampitso any Turin ny Sorona Masina fanirahana ireo Misionera Salezianina Don Bosco...
• Nametraka sakana sy nandoro fako teo afovoan'ny arabe, ireo milaza ho mpivarotra eny amin'ny sampanan'i Mahazoarivo ny maraina teo ary tsy manaiky ny fanesorana azy ireo... • Mampanahy ny fihetsik'ireo Solombavam-bahoaka, mitonona ho VFM, ary milaza ho manohana ny Fitondrana Fanavaozana, hoy i Christian Tabera... • Hiompana betsaka amin'ny fampiroboroboana ara-toekarena ny fiaraha-miasa eo amin'ny fikambanana TFO Canada sy ny Antenimieran'ny Varotra Analamanga Antananarivo, na ny CCIA...
• Efa alina tamin'ny 11 ora sy 45 mn vao vita ny fanadihadiana natao tamin'ny tompon'andraikitry ny orinasa Viva Madagasikara, teny amin'ny Sampandraharaha misahana ny ady amin'ny heloka anabaka eny Anosy. Nanatrika izany koa ny avy amin'ny CT OJM... • Nitondra fanazavana momba ny sarivongana tamin'ny tsangambato ao Antsohihy, ny Lehiben'ny Faritra Sofia. Soson-kevitra avy amin'ny fianakaviana no narahina, hoy Andriamatoa Djaosera Irénée... • Hisy ny fahatapahan-dalana amin'ny ampahany eny amin'ny manodidina an'Anosy sy Mahamasina, anio manomboka amin'ny 8 ora sy sasany...
Avy amin'Andriamanitra ny aina ary antso mitaky andraikitra, fa fitahiana sy lova ihany koa. Loharanon'ny fifaliana sy ny fanantenana ny aina ka tokony horaisina, hovelomina ary harovana amin'ny toe-javatra rehetra. Ny aina dia tsy mijanona amin'ny fahaveloman'ny tena fa mitohy aminny hafa... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
• Resabe ilay sarivongana vaovaon'ny Filoha Philibert Tsiranana ao Antsohihy, nandritra ny hets-pankalazana ny datin'ny 14 ôktôbra omaly. Nosoloina ny teo aloha izany sarivongana izany androany... • Nampanantena ny tsy hisian'ny delestazy intsony ny Profesora Solofo Jonnis, raha hotrandrahantsika ny menaka mavesatra any Tsimiroro. Sonian'ny Filohan'ny Fanavaozana sisa andrasana... • Lasa misy tsy fahatomombanana ny “Airbag” amin'ny fiara marika Toyota sy Mitsubishi sasantsasany miasa eto Madagasikara. Hisy ny fepetra horaisin'ny Foibe Fitsarana fiarakodia...
Tsy maintsy mifototra amin’ny fananganana orinasa manodina ny vokatra ara-pambolena isika raha te hanafaka ny fahantrana misy amin’izao fotoana izao, indrindra eny anivon’ny tontolo ambanivohitra. Manana fahafahana manao izany tsara i Madagasikara fa mila finiavana avy amin’ny rehetra ny fanatanterahana azy. Izay no votoatin’ny voka-pikarohana nataon’i Dokotera Rajaonson Hugues, mpahay toekarena, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny anjerimanontolo.
Zava-dehibe ny asa ataon'ireo matihanina, mikarakara olona an-tsitrapo, izay tena ialaina eo amin'ny fahasalaman'ny fiaraha-monina sy ny hatsaram-piainana iombonana. Maro ireo olona misehatra amin'izany asa fikarakarana ny hafa izany, ka izany no nahatonga ny Firenena Maikambana nanokana Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Asa Fikarakarana ny Hafa sy ny Fanohanana (Journée Internationa des Soins et de l'Assistance), izay ankalazaina ny 29 ôktôbra. Fandaharana "Fibeazana Miaina sy Mitia", iarahana amin'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Pastoralin'ny Fahasalamana...
• Feno herintaona no nitantanan'ny fitondrana Fanavaozana an'i Madagasikara. Mbola mitoetra eto amin'ny firenena ny fomba fanaon'ny mpanao politika tamin'ny fitondrana teo aloha, hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy tao Arivonimamo, Rajerison Antoine... • 15 ôktôbra, Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy Tantsaha. Eny Mahamasina no atao ny lanonana ofisialy androany. Mandray anjara amin'izany ny fikambanana FARM... • Hamelona ny fankafizan'ny mpamaky ny tantara an-tsary malagasy ny mpisehatra tamin'izany nandritra ny taona 80 sy 90. Hamoaka tahirim-boky, mahatratra 7.000 isa, izy ireo...
Ilaina ny fahafantarana ny tantara, ny 14 oktobra dia daty manana ny tantarany ho an'ny firenena Malagasy, nahaterahan'ny Repoblika Voalohany. Nankalazaina ary natao ho fety hatramin'ny taona 1972, ny andro nahaterahan'ny Repoblika. Taty aoriana dia natambatra tamin'ny fankalazana ny 26 jona ny fetin'ny Repoblika sy ny fetin'ny Fahaleovantena. Nisy ireo dingana nolalovana mialoha ny 14 oktobra : ohatra ny 1944 nisian'ny Conférence de Brazzaville, izay niresahana ny famotsorana ireo firenena voazanaka ; teo koa ny Conférence de San Francisco ny taona 1945... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...
♦ Namory vahoaka teny amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina ny fikambanana Ambalambahoaka nanamarihana ny datin'ny 14 oktobra. Nanambara ny mpitarika fa natao tohatra fiakarana izy ireo teo aloha ka tokony hohenoin'ny fitondrana amin'izay ny feony... ♦ Mitaky ny hananganana ny rafitra Fokonolona ny vovonana ho an'ny femerenan-kasina ny Fokonolona (VFKF) sy ny Hetsika Kristianina ho an'ny Fampiraisana ny Firenena (HFKF)... ♦ Mitaky ny hamerenana ny tany 665 Ha amin'izy ireo ny Fikamban'ny Tantsaha Faharetana (FITAFA) ao Morarano Arivonimamo. Nihaona tamin'ny Ben'ny Tanàna izy ireo nitaky ny zony...
Tsy kisendrasendra ny fisian'ny olombelona, ny tsirairay dia antsoin'Andriamanitra ho amin'ny fisiana. Notiavina sy nokasain'Andriamanitra hivelona ny olona, amin'ny alalan'ny aina. Ny antso ho amin'ny fisiana anefa dia tsy antso hivelona irery fa noforonina ho amin'ny fiombonana amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco