• Fanombohana ny tany Ambovombe, fa raha tena fampihavanana no tanjona, dia tsy tokony hisy ny kajikajy politika amin'ny fihaonana, hoy i Fetison Rakoto Andrianirina... • Miisa 11 ireo olona voarohirohy tamin'ny fanaovana fanamarinana diplaoma Bakalorea hosoka, teny amin'ny Oniversiten'Antananarivo... • Niseho masoandro ny faran'ny herinandro teo ny amboara tononkalo nosoratan'i Faniry Hantarinivo...
Mety ho ratsy toerana ihany ny Arofanina raha hanompana ny matoan-dahatsorany ka handrasa ny fanomanana ny taom-pianarana vaovao, anio. Tsy hay anefa ny tsy hiteny sy hamakafaka satria zava-dehibe ny fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra, izay fotoana iray hany hamaritana ny ho avin’ireo zandry, zanaka.
• Any Afrika Atsimo, hiatrika ny fivoriambe faha-46 an'ny Vondorona Fampandosoana ny Firenena Atsimon'i Afrika na SADC, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara Randrianirina Michaël... • Hodinihina any Maurice indray, amin'ity herinandro ity, ny fangatahana fahafahana vonjy maika napetraky ny mpisolovava an'ilay Malagasy mpandraharaha Mamy Ravatomanga... • Nahemotra ho amin'ny daty hafa ny Lalao ASIEF 2026, saingy voatana ny toerana hanatanterahana izany any Manakara, araka ny fampahafantarana navoakan'ny Minisiteran'ny Asa sy ny Fampananana Asa ary ny Asam-panjakana...
• Nanatitra ny taratasy manendry azy ho ambasadaoron'i Arabie Saoudite eto Madagasikara, tamin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha androany, Andriamatoa Ahmad Mohamad Alwo-Haib... • Mitaky ny hisian'ny fifanarahana politika ny RMDM, mialoha ny hirosoana amin'ny fikaonandoham-pirenena... • Vatsim-pianarana maromaro no zaraina amin'ireo mpianatra Malagasy te handranto fianarana any ivelany, mandritra ny hairanty “International Education Expo”...
• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...
Mamaha olana an’ireo tantsaha mpikambana an’arivony ao aminy ny fijoroan’ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny taona maro nijoroany. Fikambanana saro-piaro ary mampihatra ny famokarana ara-biolojia tsy mampiasa taharo simika amin’ny fambolena sy ny fiompiana ilofosan’izy ireo. Mifampizara traik’efa momba ny fikarohana amin’ny famokarana izy ireo mba afahana manatsara hatrany ny vokatra. Fahombiazana no azo tao anatin’izay 20 taona mahery nijoroan’ny fikambanna izay, indrindra ny fanatsaràna hatrany ny famokarana ny zezika kakana amin’ny alalan’ny fikarohana tsy mitsahatra...
• Manao ranolava ny fanambaran'io Solombavam-bahoaka eny Tsimbazaza, miaro ny andrim-panjakana misy azy ireo. Tsy sakana amin'ny firosoana amin'ny fanavaozana izy ireo, hoy ny depiote voafidy tany Fenoarivo Atsinanana... • Mila hamafisina ny fiarovana amin'ny MPOX amin'izao fotoanan'ny fialan-tsasatra izao, hoy ny mpitondra tenin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka momba ny MPOX, ny Profesora Mamy Randria. Mitombo hatrany ny isan'ny tranga vaovao hita...
• Nodimandry teo amin'ny faha-89 taonany i Mompera Andriatsifa Désiré Anatole na i Baigny Dezy. Namoron-kira maro ho an'ny Eglizy Katolika ary mpikaroka nandritra ny 50 taona tao amin'ny Ekipa Ankalazao ny Tompo... • Nahazo Tale Jeneraly vaovao ny eo anivon'ny CNaPS. Nametrahan'ny fanjakana ny fitokisany hisahana izany andraikitra izany Ramatoa Florent Soatiana Bety Léonne... • Nihintsana teo amin'ny ampahefa-dalan'ny Afrobasket lehilahy latsaky ny 18 taona ny Ankoay Malagasy. Resin'i Sénégal tamin'ny isa 54 noho 40 i Madagasikara omaly...
♦ Hiverina hiakatra kianja indray anio ny Ankoay zazalahy latsaky ny 18 taona, izay hifandona amin'i Sénégal amin'ny ampahaefa-dalana amin'ny andiany faha-25 amin'ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika... ♦ Nodimandry androany vao maraina i Mompera Andriatsifa Désiré Anatole, izay fantatry ny maro amin'ny hoe Mompera Baigny Dezy... ♦ Efa miomana amin'ny mety ho vokatry ny fiovaovan'ny toetr'andro voajanahary maneran-tany ka hitarika haintany goavana any atsimon'ny nosy i Madagasikara... ♦ Nahasaritra olona maro, omaly, ny tao Medinaceli, tanàna iray any avaratra-atsinanan'i Espagne, izay nahitana 100% ny fanakona-masoandro...
♦ Hanampy amin'ny tahiry stratejika ho fiantohana ny famatsiana angovo eto amin'ny Firenena ny fanafaran'ny Fanjakàna Malagasy solika ho ampiasain'ny orinasa JIRAMA... ♦ Nisy fihenany 30% hatramin'ny 70% ny hetran-trano takian'ny kaominina Antananrivo, raha mitaha amin'ny teo aloha. Tanjona ny hampiakarana ny taham-pahazotoan'ny mponina mandoa hetra... ♦ Miisa 26 mianadahy ireo mpanoratra sy mpanatontosa ary mpilalao tantara amin'ny onjam-peo notoloran'ny Ministeran'ny serasera sy kolontsaina mariboninahitry ny kanto, ny soratra ary ny kolontsaina... ♦ Nankatoavin'ny Parlemanta Libanais omaly ny lalàna momba ny famontsoran-keloka...
• Noraisiin'ny Filohan'ny Fanavaozana teny amin'ny birao fiasany androany, ilay zazalahy varira, saika nisy nivarotra tany Tolagnaro... • Nigadona androany tao Toamasina ny sambo “Sunda 1”, mitondra gasoil ho an'ny orinasa Jirama. Solika nafaran'ny fanjakana Malagasy mivantana... • Nahena 30 hatrami'ny 70% ny hetran-trano takian'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, raha mitaha amin'ny teo aloha...
♦ Nandinika ny momba ny raharaham-pirenena sy ny fanadihadiana parlemantera nataon'ny Antenimieram-pirenena ireo solombavambahoaka. Nanatanteraka fivoriana mikaton-trano teny Tsimbazaza izy ireo omaly antoandro... ♦ Distrika isan'ny anjakan'ny valan'aretina MPox ny ao Toamasina-I. Miisa 53 ny tranga voamarina araka ny tatitra nataon'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka omaly talata 11 aogositra... ♦ Maharay fanampiana hatrany hamonjena ny mponina iharan'ny olana ara-tsakafo any amin'ny Faritra atsimon'ny nosy ny BNGRC. Tokantrano maherin'ny 20.000 no hisitraka izany...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco