Alahady 14 jona 2026 - Alahady Faha-11 mandavantaona — A : Ianareo no fanjaka-mpisorona ; Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo: Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy. Ny hoe "Honena" dia mitovy amin'ny hoe "Mangoraka"-"Mihetsipo lalina" izany hoe tsy fihetsepo tsotra fa tena vokatry ny fo, ary miatraika any anaty ka mitondra alahelo. Ny vokatry ny fihetsepo lalina dia ny famindrampo ; mpamindra fo sy fitiavana Andriamanitra. Ny vokatra voalaza ao amin'ny vakin-teny amin'ity alahady ity dia ireo olona rehetra mila an'Andriamanitra...
Eny anatin'ny fiaraha-monina eny dia maro ny olona manana toe-batana somary manahirana dia ny kibo lehibe. Antony : Betsaka loatra ny "Kalôria" ampidirina amin'ny sakafo anefa tsy lany nampiasain'ny vatana ka misy tavy manodidina ny nofo sy ny oditra mandrafitra ny kibo, na manodidina ny taova hafa. Adika ho lehibe ny kibon'ny olona iray raha mihoatra ireto ny revin'ny hodidin'ny kibo (tour de taille) 88 cm vehivavy 102 ho an'ny lehilahy. Ilaina hatrany ny manatona mpitsabo mba tsy hiteraka olana hafa indray ireo fomba isan-karazany hanenana ny kibo. Ny ... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Hikarakara hetsika diaben'ny fandriampahalemana anio hanomboka amin'ny 10 ora maraina ny avy amin'ny fikambanana VARIRA eto Madagasikara. Hetsika anehoana ny firaisankina manoloana ireo herisetra nisesisesy nahazo an'ireo namany... ♦ Novakian'ny Randrana Sendikaly bantsilana tany amin'ny fivoriam-ben'ny OIT andiany faha-144 natao tany Génève ireo olana mahazo ny mpiasa eto Madagasikara... ♦ Handinika ny fiainan'ny antoko sy ny tontolo manodidina azy mandritra ny roa andro ny antoko Fy-M tarihan'ny Filohany Raderanirina Sendrison Daniela, amin'izao faran'ny herinandro izao...
Misy ny didin'Andriamanitra miisa 10 ; ny didy fahaefatra dia manentana antsika hanajana ny ray aman-dreny mba hahelavelona, tsy hanavahana anefa izany na ray aman-dreny ara-nofo na ara-panahy. Eto Madagasikara anefa dia zary ankilabao ny ray aman-dreny ara-panahy, eo koa ireo ray aman-dreny ara-drazana. Manana adidy ny tsirairay araka ny toerana koa aoka samy hanao izany araka ny efa voafaritra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Mampiantrano atrikasa ara-tsiansa nomena ny anarana hoe “Tany vao”, mandritra ny roa andro, ny eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo nanomboka androany... • Hiteraka fionganan'ny fitondrana ilay hetra vaovao alaina amin'ny fiara sy ny moto, izay miteraka resabe amin'izao, raha tsy foanana, hoy ny antoko SFDM... • Miato aloha ny fandraisana fangatahana vaovao fampidirana jiro sy rano, eny anivon'ny orinasa JIRAMA, hoy ny Tale jeneraliny...
Tsy nitsahatra nihena ny vokatra tantely teto amintsika tao anatin’ny 30 taona mahery araka ny antontan’isa misy. Raha nahatratra 5 alina taonina ny vokatra tany amin’ny taona 90. Nidina hatrany amin’ny 4 arivo Taonina izany ny taona 2024... Miovaovao ihany koa ny vokatra tantely nahondran’i Madagasikara nandritra izay fotoana izay. Nisy àry ny dinik’asa nasionaly notanterahana teto amintsika hamerenana indray ny toerana misy ny tantely eto Madagasikara...
• Miato ny fampiharana ny haba amin'ny fiara enti-milina na ny TVM, ho fitsinjovana ny tombontsoan'ny besinimaro, araka ny fanambarana ofisialy navoakan'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola... • Niroso tamin'ny fanakatonana toeram-pivarotana lehibe iray, izay natokana ho an'ireo entana sy sakafo ilana fampangatsiahana, ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana. Anton'izany ny tsy fanajana fepetra... • Hafana indray ny manasa-dalana mandroso amin'ny fiadiana ny ho tompon-dakan'i Madagasikara amin'izao faran'ny herinandro izao. Hisantatra izany rahampitso ny Disciples FC sy ny AJESAIA...
• Nanamafy ny tsy maintsy hanejehana ireo mpitondra teo aloha, voamarina ho nanao fanaparam-pahefana nakana harem-pirenena, ny Minisitry ny Fitsarana Fanirisoa Erinaivo. Tsy fialokalofana koa ny fananana tombon-jo, raha ny nambarany... • Vahiny mpizahatany 330.000 no kendrena hitsidika an'i Madagasikara amin'ity taona 2026 ity. Efa mahavelom-bolo ny antontan'isan'ireo mpizahatany tonga eto Madagasikara, hoy ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa tanana, raha nanokatra ny tsenabe iraisam-pirenena ITM-IHM 2026... • Mila mijoro ho tompon'andraikitra ny olom-pirenena tsirairay mba hahafahana misitraka ireo sampan-draharaha sy fotodrafitrasa tian-kapetraka an-tanan-dehibe. Nisongadina izany tamin'ny fanokafana ny fikaonandoham-pirenena momba ny tanan-dehibe, izay tanterahina eny Andohatapenaka...
• Henjehina avokoa manomboka izao ireo “trondro vaventy” ka nanao fanaparam-pahefana naka harem-pirenena, hoy ny Minisitry ny Fitsarana, androany... • Hodinihina ny tolo-kevitra hanafoanana ilay hetra momba ny fiara sy ny moto, anatin'ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, androany. Niteraka resabe ny momba io hetra io... • Niakatra 20 % ny tahan'ireo ankizy mamerin-taona teny anivon'ny sekoly ambaratonga fototra, tato anatin'ny telo taona farany, araka ny sampan-draharaha mpandrindra ny sehatry ny fanabeazana, na ny CELCO...
Volana jona : volan'ny ankizy. 12 jona : Andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Ho antsika eto Madagasikara dia ankizy efatra ao anatin'ny folo no efa niditra tamin'ny sehatry ny asa mialoha ny faha-18 taonany, araka ny fanadihadiana nataon'ny UNICEF. Sahiran-tsaina ny ray aman-dreny amin'ny fitaizana ny zanany, indrindra eo amin'ny fampifandanjana ny fisitrahan'ny ankizy ny zony sy ny fanabeazana tsy maintsy omena azy ireo.
Ny fahafantarana ny tantara dia isan'ny kitro ifaharan'ny Firenena sy ny fampandrosoana. Ezaka tsara tokony hatao ny fampidirana eny amin'ny sehatry ny fanabeazana sy ny fampianarana ny fampahafantarana ny tantaran'ny Firenena. Ny fananganan-tsaina dia mariky ny fahaleovan-tena, anefa isika ihany no tompon-tsafidy farany, na tena hiaina fahaleovan-tena tena izy isika na mbola hiankin-doha amin'ny hafa hatrany. Ny fifanajana sy ny fanajana dia fahendrena Malagasy, fototry ny fitiavana ary mahatsara ny rafi-piaraha-monina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Nanatitra ny fanambaram-pananana teny amin'ny Fitsaràna avo momba ny Lalam-panorenana ireo mpikambana ao amin'ny governemanta. Nanao toa izany teny amin'ny toby ny Jeneraly Ramarolahy Philibert ihany koa ny tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny zandarimariam-pirenena... ♦ Natao teny Antanimena ny atrik'asa nandrindràna ny asa ho an'nireo mpisehatra rehetra voakasiky ny tetik'asa momba ny fanatsaràna ny tontolon'ny fandraharahana sy ny fanamorana ny fifanankalozana ara-barotra tohanan'ny vondrana erôpeana sy ny ministera federaly alemana momba ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ny fampandrosoana MBZ...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco